ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Fifaninana basket teo amin’ny ankizy

Nisy ny fifaninana basikety baolina teo amin’ny ankizy tao Ambohimanambola ny alahady 21 aogositra lasa teo. Marihina moa fa izao vao nanao lalao fifaninana ireto ankizy ao amin’ny ekipan’ny NCAA ireto. Nandray anjara tamin’izany ihany koa moa ny ekipa zokiny. Ny ekipa JS TEAM Imerintsiatosika no tonga nifaninana tamin’izany ary ireo ekipan’ankizy NCAA Ambohimanambola kosa no nibata ny amboara. Tsy diso anjara amin’izany ihany koa anefa ireo ekipa zokiny Ambohimanambola fa izy ireo ihany ko no nahazo ny fandresena. Nentina nanomezana ny lanjan’ny fanantanjahan-tena hatrany no anton’izany fifaninana izany.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire