ActualitésTsidika

Avaradrano : Nisy ny fandraisana mpampianatra Fram ho mpiasam-panjakana

Nisy ny fandraisana mpampianatra Fram ho mpiasam-panjakana ny zoma lasa teo  tao amin’ny kaominina Avaradrano. Tao amin’ny kaominina Ankadikely-Ilafy no nanantanterahana izany. Marihina fa efa andiany fahasivy amin’ny fandraisana ireo mpampianatra Fram ho mpiasam-panjakana ao amin’ny Cisco Avaradrano izao. 

Ny marim-pahaizana ambony indrindra, ny fahatezàna tamin’ny asa, ary ny fizokiana ara-taona no fepetra nandraisana ireo mpampianatra ho mpiasam-panjakana raikitra. Miisa 69 ireo mpampianatra noraisina tamin’izany, 10 ho an’ny Préscolaire, 33 ho an’ny sokajy voalohany na ny EPP, 17 ho an’ny sokajy faharoa na ny CEG ary 9 kosa ho an’ny sokajy fahatelo na ny Lycée. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany fotoana izany moa ireo olom-boafidy ao amin’ny distrikan’Avaradrano izay nahita solom-bavam-bahoaka sy ben’ny tanàna ary solontenam-panjakana misahana ny fampianarana ao avaradrano hoy ny ben’ny tanàna Rija Rajaonah. Manantitra ny fisaorana hatrany izy ireo.

Natao moa izany fandraisana mpampianatra izany mba hanantsarana hatrany ny fampianarana ary indrindra hitsinjovana ny ho avin’ireo taranaka.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire