ActualitésTsidika

Anosy avaratra : Mitohy ny asa fikojana ny lalana

Mitohy hatrany ny asa fikojana sy fanamboarana ny lalana ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. Ny faran’ny herinandro teo dia nisy ny fanamboarana ny lalana simba eo amin’ny sampanana mankao amin’ny hopitaly Anosy avaratra.

« Ao anatin’ny asa fanombohana ny taona vaovao izao dia ny fanamboarana ny lalana no nentina nisantatra izany. Nisy araka izany ny fanamboarana ireo lalana simba manomboka eo amin’ny sampanana mankany amin’ny hopitaly Anosy avaratra ka hatrany Ankazondrangahy Ambohitrinimanga, izay mirefy 2km eo ho eo » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Zava-dehibe amin’ny fampandrosoana ny fokontany ny asa tahaka izao. Mbola angatahana hatrany anefa ny kaominina mba hanitatra ny asa hatreny amin’ireo fokontany hafa satria misy ireo fokontany mbola mijaly amin’ny haratsian’ny lalana, na tsy ny lalana ihany fa ny fako sy asa fampandrosoana hafa » hoy i Mino, mponina ao Anosy avaratra.

Ao anatin’ny fanatanterahana izany asa izany moa dia tsy mitsahatra manentana ny vahoaka ny kaominina mba ahay hikolokolo sy hikojakoja amin’ny fampiasana ny lalana satria fananana iombonana ary fiaraha-mientan’ny vahoaka sy ny kaominina no nahavitana azy ireny.

Laisser un commentaire