Anjeva : Lehilahy iray nanolana ny zanaky ny rahavavin’ny vadiny
Tratra ihany rehefa nanaovana fikarohana, nanomboka ny 1 janoary 2024 ity, ny lehilahy iray nahavita nanolana ny zanaky ny rahavavin’ny vadiny, tamin’ny fomba feno habibiana. Tao Ambolamena, kaominina Anjeva gara no nisehoan’ny fanolanana ilay zazavavy 11 taona, araka ny voalaza.
« Mody nirahany nividy solika fandrehitra ilay zaza vavy kely tamin’io fotoana io ka rehefa niverina dia nentiny tao an-tranon’ny renibeny. Nony tafiditra tao anefa dia nopotseriny avy hatrany ny voamasony sady notsindriny ho lavo ambany ity ankizy ity no nalany ny kilaotiny. Notanterahiny manaraka izay ny fanolanana ary narahiny fandrahonana hoe tsindrominy ny antsy raha toa ka miteny na mandaza na amin’iza na amin’iza. Rehefa vitany ny filàny dia nisaoty varavarankely ity lehilahy ity ary nandositra nanomboka io andro io » hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.
« Mendrika ny hampiarana ny sazy faran’izany enjana sy mafy indrindra ireo mpanolana fa tena mihamaro sy mitombo isa isan’andro ireo tranga tato ho ato. Tsy tokony ataon’ny tomponandraikitra resaka sy fampahafantarana intsony fotsiny ireo lalàna napetraka fa ny fanatanterahana ireny no zava-dehibe hisorohana ny fiverenan’ny tranga toa izao » hoy i Sedra, mpirotsaka an-tsitrapo miaro ny zon’ny ankizy.
Maro ny trangana fanolanana niseho tato ho ato. Ilaina ny fahamailona sy fahamalinana manoloana izany satria anisan’ny mateti-pitranga dia ireo havana akaiky no mahavanonana ny loza.
