Toamasina I : Mitaky ny handoavana ny karamany ireo mpiasa
Nanatanteraka fihetsiketsehana manoloana ny lapan’ny tanàn’ny Toamasina ireo mpiasan’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina. Ny fahataran’ny fandoavana ny karaman’izy ireo no anton’izany. Folo volana ny karama tsy voahefan’ny kaominina ho an’ireo mpiasa tsy raikitra raha toa ka telo volana ho an’ireo mpiasa raikitra.
Olana nisy teo amin’ny tsy fahampian’ny fidiram-bolan’ny kaominina noho ny fikatsoan’ny asa vokatry valan’aretina no anton’izany fahatarana izany. Ny tsy fandraisana andraikitry ny ben’ny tanana teo aloha no antony mahatonga izao karama tsy voahefa izao. Manome fe-potona andro vitsy ho an’ny ben’ny tanana ireo mpiasa amin’ny fanefana izany mialohan’ny irosoan’izy ireo amin’ny fitokonana faobe.
« Tsy misy vola entina hampidirana mpiantra izahay koa izany no antony anaovanay izao fitakiana karama izao. Herin-taona latsaka ny karama mbola tsy azonay amin’izao fotoana izao » hoy ny mpiasan’ny kaominina ambonivohitry Toamasina. « Tsy azo ekena ny fanazavana nomen’ny ben’ny tanana manoloana ny tsy mbola nandoavana ny karaman’ny mpisa, nanohy hatrany ny asa izy ireo na dia teo aza ny krizy » hoy i Ndriana, mpiaro ny zon’ny mpiasa.
« Tsy azo jerem-potsiny izao hetsika izao, fa atao izay fifampiresahana amin’ny ben’ny tanana sy ireo mpiara-miasa aminy hitadiavana vahaolana manoloana izao » hoy i Rolland Ratsiraka, solombavam-bahoaka voafidy tany amin’ny faritr’i Toamasina. « Efa noezahina nandray karama isam-bolana ihany ireo mpiasa na dia teo aza ny tsy fidiram-bolan’ny kaominina nandritra iny hamehana ara-pahasalamana iny. Maro ireo mpiasa tsy ara-dalàna eto amin’ny kaominina etsy andaniny » hoy i Rakotonirina Herilala Nantenaina, ben’ny tanan’ny Toamasina.
Zary lasa mifanilika andraikitra mandrankariva ireo mpitarika ny vahoaka ankehitriny, manaporofo izany izao tranga tany Toamasina izao. Ny mpitondra no manao tandrevaka amin’ny asany saingy ny vahoaka madinika no lasibatra amin’izany. Nitarika fahasahiranana ho an’ny vahoaka Malagasy ny krizy ara-pahasalamana izay nisy manerana ny firenenana maro manerana izao tontolo izao.
Haingotiana Andriamihaja
