Vondrona Orange : Tafapetraka ao Ambositra ny «Maison digitale» faha-36
Napetraka tao amin’ny kaomina Ambositra ny « maison digitale » faha-36 hoan’ny vehivavy izay tetikasan’ny vondrona Orange. Araka izany anarany izany, trano nomerika « maison digitale », fotodrafitr’asa entina hanampiana ny vehivavy izany mba hahafahan’izy ireo mikirakira sy miditra eo amin’ny sehatry ny nomerika na amin’ny fiainana ao an-tokantrano izany na amin’ny asa andavanandro.
Isan’ny tetikasa lehibe ny vondrona Orange izy ity mba hampiroborobo ny fizakan-tenan’ny vehivavy amin’ny alalan’ny nomerika sy ny fandraharana. Tsy tapaka fiofanana araka izany ato amin’ny ity trano vaovao nomerika ity hoan’ireo vehivavy monina ao amin’ny kaomina Ambositra. Nohavaozina ihany koa ny trano nomerika ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony ao amin’ny tananan’ny Orange Manakanda ao amin’ny kaomina ambanivohitra Ankerana, distrika Ambohimahasoa. Ny taona 2014 moa no nanokafana voalohany teto Madagasikara ireo tananan’Orange (Village Orange) ireo izay niarahana niasa tamin’ny fikambanana Madamoramora. Nohon’ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana LookGasy Aventures miara-miasa amin’ny fikambanana Madamoramora, misitraka asa fanavaozana ihany koa izany tanana Orange izany izay vatsian’ny Vondrona miray Orange eto Madagasikara (Orange Solidarité Madagascar), ankoatra izay nitsitraka fanamboarana kolejy vaovao sy famatsiana herinaratra vaovao ihany koa ity tanana ity.
Sitraka Rajaonarivony
