France : Zaza 12 taona voampanga nanolana zaza 2 tsy ampy taona tao Pas-de-Calais
Fanolanana sy herisetra ara-nofo tamina zazalahy kely manodinana ny 6 taona sy zazavavy kely eo amin’ny 13 taona eo no niampangana ity zaza ity tany amin’ny fiandohan’ny volana aogositra tany. Tsy nisy nanome an-tsipirihiny momba ny raharaha ireo tompon’andraikitra fa ny fantatra dia toerana roa samihafa no nitrangan’izany. Ny voalohany tao amin’ny tànan’i Fort-Nieulay, ao andrefan’i Calais ary faharoa tao Offekerque tsy lavitr’i Hautes-de-France.
Asa lehibe mihitsy ny fisamborana ity zaza ity raha ny fanazavana. “Polisy maro be, niaraka tamin’ny mpamonjy voina mihitsy no tonga nisambotra azy tao Mogador” hoy ny mponina tao an-toerana. Tsy nahiditra am-ponja kosa izy hoy ny mpampanoa lalàna lefitra ao Boulogne-sur-Mer, Philippe Sabatier noho ny taonany saingy arahi-maso.
