SportTatitra

Angleterre : Mpanao fanatanjahantena iray no nokianina tamin’ny fomba fiakanjony

Nitondra ny fitarainany i Olivia Breen noho ny fanakianana nataon’ny mpitsara azy mikasika ny fitafiny nandritra ny fiadiana izay ho tompon-dakan’i Angleterre ny faran’ny herinandro teo. Nilaza mantsy ity mpitsara ity fa fohy loatra sady tsy mendrika ny fitafiany nandritran’ny taranja vikin-davitra na « saut en longueur ». « Nitovy foana ny akanjo nanaovako hatramin’izay taona maro izay, fitafy natokako mihitsy mba hanaovana ny fifaninanana tahaka izao » hoy ity vehivavy mpanao fanatanjahantena ity. Efa nandrombaka ny medaly varahina nandritra ny Jeux Olympiques tany Londres ny taona 2012 izy ary manantena fa handromba izany ihany koa any Tokyo. Nametraka fitoriana noho izany kihana izany teny anivon’ny Federasiôna Britanika amin’ny Athlétisme ny tenany.

Laisser un commentaire