ActualitésTsidika

Mpiadina avy ao amin’ny sekoly iray, tsy nisy afaka CEPE

Tsy nisy afaka fanadinam-panajakana CEPE ireo mpianatra niatrika izany tao amin’ny sekoly iray ao amin’ny Fokontany Ambalapaka, Distrika Bealanana, Faritra Sofia tamin’ity taom-pianarana 2020-2021. « Tsy afaka fanadinana ny zanakay, ary tonga dia ny iray fianarana mihitsy no tsy afaka fa tsy hoe iray na roa, tsy manaiky izany izahay satria very fotsiny ny herintaona » hoy ny ray aman-dreny iray.

Voalaza fa narian’ny Talen’ity sekoly ity ny taratsy fangatahana hanao fanadinana ho an’ny mpianatra hanao CEPE. Namoronana laza adina izy ireo, ary natao ivon-toeram-panadinana iray nandritra ny CEPE ny 06 jolay 2021 teo. Tsikaritr’ireo ray aman-dreny ny fisian’io tranga io tato aoriana, ka nitory teny amin’ny mpitandro filaminana ireto farany. Mandrahona ny hanao hetsika ireo ray aman-drenin’ny mpianatra avy ao amin’ny Sekoly iray ao amin’ny fokontany Ambalapaka, Distrikan’ny Bealanana Faritra Sofia hoy ny mpitandro filaminana any an-toerana. « Mangataka izahay ny tsy mba hanetsehana ty raharaha ity izahay » hoy ny avy ao amin’ny Cisco Bealanana. Nilaza ireo ray aman-drenin’ny mpianatra nanala fanadinana CEPE tao amin’ilay sekoly fa hitokona izy ireo noho ny fitoriana tsy misy tohiny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire