ActualitésTsidika

Natsangana ny paik’ady hiadiana amin’ny afo

Azo lazaina fa olan’ny tontolo iainana eto amintsika ny doro tanety. Efa nisy ny ezaka sy ny fanentanana isan-karazany nataon’ny vondron’olona na ny filokambanana na ny olon-tsotra na ny Ministera sy ny fitondram-panjakana.

« Safidy ny handroso ary miankina ny vahoaka eny ifotony izany, ny fanatsarana sy ny fanajana ny tontolo iainana dia isan’ny mampandroso tokoa », hoy i Julien mpikambana ao amin’ny fikambanana miahy ny tontolo iainana. Voarafitra ny paikadim-pirenena hiadiana amin’ny afo hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana. Fitaovana mahomby kokoa no ampiasaina amin’izany izay natao indrindra hiatrehana ireo antony maro samihafa mety mahatonga ny afo hoy ny Ministry ny Tontolo iainana sy ny fampaandrosoana lovan-jafy, Baomiavotse Vahianala Rahanirina. Sahanasa lavitr’ezaka izay miara-dàlana amin’ny fambolen-kazo sy ny fiarovana ny harena voajanahary tokoa ny ady amin’ny afo.

Ankoatra ny ady atrehina mivantana amin’ny fotoanan’ny main-tany dia misy koa ny fisorohana izay tsy maintsy atao ary fanaraha-maso aorian’ny afo izay mila alamina sy arindra mialoha araka ny politikan’ny ady amin’ny afo hoy ny tompon’andraikitra. Niara-niasa ny MEDD sy ny GIZ mba hamoaka fomba fanjohiana ny afo amin’ny alalan’ny teknolojia sady hahafahana manao vinavina sy manao fanairana mialoha, no ahafahana mamantatra sy manjohy ireo afo miainga ary mahazo antontam-baovao momba ny faritra may manerana an’i Madagasikara isam-bolana sy isan-taona.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire