ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Niara-nilalao baolina kitra ny kaominina sy ny Cisco Avaradrano

Notontosaina ny 6 may lasa teo ny lalao ara-pirahalahiana teo amin’ny kaominina Anosy Avaratra sy ny Cisco Avaradrano.

Nandresy 3 noho 1 ny kaominina Anosy Avaratra nanoloana ny avy ao amin’ny Cisco Avaradrano. « Nahafinaritra tokoa ny lalao nentina nanamafisana ny fifankahalalana sy ny firahalahiana eo amin’ny roa tonta. Hirariana hitohy hatrany ny fifankatiavana hisian’ny fandrosoana » hoy ny ben’ny tanàna ao Anosy Avaratra, Razafimahefa Luc. « Tena niady ny lalao. Nihamafy ny fihavanana teo amin’izy ireo no afaka nankafy ihany koa izahay mponina » hoy i Albert, mponina ao Anosy Avaratra.

Adin’ombalahin’ny mpianakavy tokoa, ny maharesy tsy hobiana, ary ny resy tsy hakoraina. Mitohy ny hatrany ny hetsika ho fanamafisana ny fihavanana ao Avaradrano.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire