ConseilTsidika

Torohevitra : Manampy betsaka ny hery fiarovana ny curcuma sy tantely ary ny voasary makirana

Isan’ny tena manampy betsaka ny olona hanampy ny hery fiarovana ny curcuma sy ny tantely ary ny voasary makirana mitambatra. Tena tsara ho an’ny fahasalamana tokoa izy noho izy natoraly.

Miaro sy manala kohaka sy ny sery ary ny tazo izy. Vanimpotoanan’izay ihany koa izao miovaova izao. Fanafody sempotra sy ny aretin’ny taovam-pisefoana rehetra ihany koa. Etsy an-kilany, tsara hohanin’ny olona diabetika sy manana tosi-drà izy. Manala fanaintainana amin’ny vanin-taolana sy miaro amin’ny homamiadana izy. Miaro amin’ny mety hisian’ny vato amin’ny voa ihany koa izy.

Tsotra ny fikarakarana azy : curcuma iray sotro lehibe atao anaty kaopy, asiana tantely 1 sotro ary ranona voasary 2 sotro. Afangaro tsara ireo dia alona mandritra ny 10 minitra izay vao hohanina. Afaka mihinana azy isan’andro na ny kely na ny lehibe. Raha zaza kosa dia ahena kely ny fatrany.

Laisser un commentaire