Ankadikely Ilafy : Nisy ny lalao « basket-ball interclass » nifantenana ireo mpilalao avy ao amin’ny LMAI
Notanterahina tamin’ny alakamisy teo ny hetsika ara-panatanjahan-tena “interclass” tao amin’ny Lycée Moderne Ankadikely Ilafy (LMAI), teo amin’ny taranja basket-ball, lalaovin’olona telo. Nandray anjara tamin’izany avokoa ny sokajy lahy sy vavy, araka ny voalaza.
“Izao dia natao indrindra hifantenana ireo mpilalao hisolo-tena ny sekoly eo amin’ny sehatra nasionaly hanomanana sahady ireo taninketsan’ny taranja Basket-Ball ho tonga mpilalao ao anatin’ny ekipam-pirenena (Ankoay)” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
« Hisaorana lehibe ny tomponandraikitra amin’ny fanohanana sy ny fandraisana an-tanana ireo tanora tahaka izao. Zava-dehibe tokoa izany satria ireo tanora ireo no ho avin’ny firenena ka mila fikarakarana sy fanomanana dieny izao” hoy i Avotra, mpampianatra taranja ara-panatanjahan-tena.
Tonga nanontrona izany lalao izany moa ny solo-tena avy amin’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ary ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina sy ireo mpanabe ara-panatanjahantena izay mikarakara ireo tanora.
