ActualitésTsidika

Alasora: Manamafy ny fanaovana fisafoana amin’ny alina ny polisim-pirenena

Mitohy ary mihamafy ny fanaovana fisafoana, ho an’ny fandriampahalemana; ataon’ny avy ao amin’ny polisim-pirenena Alasora. Mirongatra ny vaki-trano ao an-toerana, maro ihany koa ny trangana fandikan-dalàna ka mahatonga azy ireo hietsika hatrany ho fitrandrovana ny filaminanana, araka ny voalaza.

“Miezaka hatrany ny eto anivon’ny kaomisaria ny polisy alasora manamafy amin’ny alalan’ny fisafoana indrindra fa ny alina. Araka izany, dia entanina ny rehetra, ny mponina hanome vaovao na hiantso avy hatrany ny polisy rehefa mahita tranga mampiahiahy eny amin’ny fiaraha-monina ary tsy tokony hisalasala hiantso avy hatrany” hoy ny avy amin’ny kaomisarian’ny polisy ao an-toerana.

“Manajaka ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana. Hisaorana ny mpitandro filamianana manao ezaka hatrany amin’izany. Fanampin’ireo fisafoana ataon’izy ireo anefa, tokony ahetsika ihany koa ny andrimasom-pokonolona ho fanampin’izany hananana fiaraha-monina milamina” hoy i Donnée, mponina ao Alasora.

Ilaina hatrany ny fiaraha-mientana hisian’ny fandriam-pahalemana, eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mponina eny ifotony. Ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny kaomisaria Alasora moa dia afaka antsoina amin’ny laharan-tariby 0340553108 na 0340751719.

Manitra R.

Laisser un commentaire