ActualitésTsidika

Mandeha ny asa fanamboaran-dalana eto Antananarivo

Tao aorian’ny fahavitan’ny lalana « Rocaden’Iarivo » dia mitohy hatrany ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo renivohitra. Ny lalana simba no tena arenina amin’izany fanamboarana izany.

Tsy ireo lalam-pirenena ihany no kolokoloin’ny fitondràna ankehitriny fa ny lalana simba simba eto an-drenivohitra koa, teo mantsy ny fanamboaran-dalana maro toy ny tao Ambanja sy ny tany Ramena.

« Hita ho tena maro ny ezaka ataon’ny fitondrana, indrindra ny fikelezana aina ataon’ny minisiteran’ny Asa venty, tsy misy fitsaharana fa mikatsaka hatrany ireo lalana simba sy lalam-baovao tokony ho jerena, isaorana azy ireo izany ary iriana mba hiparitaka manerana ny nosy » hoy i Ravo, mpampiasa lalana.

« Tsy hay hoe minia mikipy ve ny tompon’andraikitra no tsy mahita fa ny lalana RN7 dia anisany tokony ho laharam-pahamehana amin’ireo lalana mila fanarenana, ny fahasimbàna ny lalana tafahoatra any no anisany miteraka ny lozam-pifamoivoizana maro, miala ireo lava-davaka amtetika ny mpamily ka mivarina any an-kady ka iangaviana an-tanandroa ny mpitondra mahefa mba hijery akaiky, raha ny lalana simba indray dia tsy ny eny amin’ny boribotin-tany faha dimy irery akory no misy izany, fa eo koa ny eny amin’ny 67ha ohatra ratsy sy manala baraka mihitsy ny lalana, ny eny amin’iny mampitohy an’Ankadivato sy Bel’air iny koa, jereo tsirairay araka oizany fa aza tsongatsongaina ny asa fanarenana » hoy i Paul, injeniera momba ny fanamboaran-dalana.

Lalana maro no nasiana fanarenana, hoy ny avy ao amin’ny solon-tenan’ny minsiteran’ny asa vaventy : « eo andalam-pahavitana ny lalana eo amin’ny sampanana mivoaka Analamahintsy, hitohy amin’ny lalana faharoa izany dia ny miainga eo amin’ny rond point Nanisana mivoaka RN2 Ampasampito, mirefy 1 350 km izany ary ny lalana fahatelo kosa dia miainga eo Ambatobe mivoaka amin’iny RN3 iny, ary fahaefatra farany dia eo Andranobevava mivoaka eo Ankorondrano ny route des hydrocarbure izany mirefy 2, 1 km eo ho eo » hoy ny tompon’andraikitra amin’ny fanamboarana.

« Tsy sakafo azo hanina akory ny lalana ka hatao laharam-pahamehana, ilaina koa ny fijerena ny sosialim-bahoaka ary tokony ho vonjivonjena maika izany, rehefa nanapa-kevitra niroso amin’ny fanamboaran-dalana dia ireo tena maika aloha no tokpny henjehana fa tsy ny lalana tsy misy tomiaka no kitihana foana » hoy kosa i Richard, mpandinika fiaraha-monina.

Raha ny hamaron’ny foto-drafitr’asa vita amin’ny resaka lalana dia azo sain-tsainina ho efa maro ihany koa ny vola lany tamin’izany, ny mampametram-panontaniana dia ny an’ireo minisitera hafa, misy amin’izy ireny no tsy hita misy asa vita mivaingàna mihitsy ka zary tsy mahatsapa ny fiatraikan’ny ny vahoaka, ka aoka ho samy tompon’andraikitra amin’ny asany ny tsirairay.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire