ActualitésTsidika

Care International : Manohana ny fampianarana amin’ny faritra maro

Amin’ny maha fikambanana manohana sy manampy ary manavotra ireo faritra maro ahitana olona marefo maro ny Care International dia anisan’ny laharam-pahamehana ho azy ireo ihany koa ny fampianarana sy ny fampiroboroboana izany. Maro ireo tetik’asa izay tanterahan’izy ireo amin’ny sehatry ny fampianarana. Ao anatin’izany ny tetik’asa Mianko, sekoly miisa 11 no nohavaozina tao anatin’izany.

Tao amin’ny Distrikan’ny Marovoay sy Ambatoboeny no nanavaozana ireo trano fianarana ireo ao anatin’ity tetik’asa Mianko ity. Hita ao Ambovomavo, Antanimora, Lakovola, Ambohimena, Ambajabe, Ampijoroa, Ambolomoty ary Bepako ny ao amin’ny Distrikan’ny Marovoay. Ho an’ny Ambatoboeny kosa, Andranomamy, Ambongamalanitra ary Ambalakazaha no voaray tamin’izany. Afaka hiasa avy hatrany ireo efitrano fianarana ireo ho an’ny taom-pianarana ho avy io.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire