ActualitésTatitra

Seychelles : Maniry ny ho lohalaharana amin’ny fibatana fonjam-by mandritra ny JIOI ny nosy

Efa manakaiky ny daty ny lalaon’ny nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina. Raha tsiahivina dia hotontosaina eto Madagasikara manomboka ny 23 aogositra izao izany ary tsy hifarana raha tsy ny 3 septambra 2023.

Efa nametraka fanamby sahady amin’ny fiatrehana io fianinana io kosa ny avy ao amin’ny nosy Seychelles. Mikasa ny handrombaka ny amboara amin’ny « haltérophilie » na fibatana fonjam-by izy ireo ary efa mivonona amin’ny fiatrehana izany. Manoloana izany dia naka tompondaka eran-tanin’io taranja io taloha ao ao Bulgarie antsoina hoe Anton Kodjabaschev izy ireo hanazatra ny ekipany.

Manomana ara-batana sy ara-tsaina ny solotenan’i Seychelles 18 isa eo amin’ny taranja « haltérophilie » ny tenany izay efa manana traikefa tanteraka amin’izany. Raha tsiahivina kosa dia efa nitondra medaly volamena 9, volafotsy 11 ary varahana 15 ny mpibata fonjam-by tao Seychelles nandritra ny lalao ny nosy tao Maurice tamin’ny taona 2019.

Laisser un commentaire