PolitiqueTatitra

Côte d’Ivoire : Mandroso ny fanisam-bato tamin’ny fifidianana mpanao lalàna.

Manantena hahita fitoniana eo amin’ny sehatry ny politika ireo mponina ao Côte d’Ivoire raha nandeha nandrotsaka ny vatom-pifidianan’izy ireo ny sabotsy 06 martsa. Nizotra amim-pilaminana ny fifidianana na dia teo aza ny fikomiana nisy. Sambany tao anatin’ny folo taona, nandray anjara avokoa ireo mpanao lalàna rehetra, raha nanohitohina ny fifidianana filoham-pirenena ireo mpanohitra tamin’ny 31 oktobra 2020. 87 ireo maty tamin’izany raha toa ka mitotaly ho 500 ireo naratra. Nakatona ny birao fandatsaham-bato tamin’ny 6 ora hariva, nanomboka kosa ny fanisam-bato avy eo. Ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (CEI) kosa no manome ny valiny rehefa mandeha ny fanisana. Ankoatr’ireo 3 naratra tao amin’ny tanànana’i Port-Bouët, Abidjan, hoy ny ben’ny tanàna sady kandidàn’ny mpanohitra, Sylvestre Emmou, nizotra tamim-pilaminana ny fifidianana raha ny filazan’ny mpanao gazety avy amin’ny AFP sy ireo mpanara-maso Ivoariana anjatony. Ity fifidianana ity izay nomarihan’ny fiverenana lehibe amin’ny lalaom-pifidianana an’ny Front populaire ivoirien (FPI) tarihin’i Laurent Gbagbo. Mbola andrasana arak’izany izay ho valiny avoakan’ireo vaomiera misahana ny fifidianana any an-toerana.

Laisser un commentaire