France : Mitohy ny fikarohana ireo olona tsy hita vokatry ny fianjerana trano tao Marseille
Tafiakatra enina ny isan’ireo namoy ny ainy vokatry ny fianjerana trano lehibe roa tao Marseille ny alin’ny sabotsy nifoha alahady teo alahady. Ny alatsinainy alina teo no hita ny razana faha enina raha ny tatitry ny manam-pahefana. Marihana olona valo no tsy hita taorian’io tranga fianjeran-trano io. Mbola mitohy noho izany ny fikarohana ireo olona roa hafa.
Raha ny fanazavana nirefotra ilay trano voalohany ka nisy rihina efatra ka rava ary nitarika ny faharavan’ilay trano iray hafa teo akaikiny. Mbola ao anaty ny fanadihadiana mikasika ny antony nampirefotra ny trano kosa ireo tompon’andraikitra saingy raha ny petra-kevitr’izy ireo dia « fuite de gaz » no nitarika izany. Marihana fa manam-pahaizana manokana no notendren’ny fampanoavana ao Marseille hanadiady momba io raharaha io.
