Fanondranana volamena : Mila manaraka ireo fepetra vaovao rehetra ireo mpisehatra
Ahafahana mamerina indray ny fanondranana volamena avy eto Madagasikara dia misy ireo fepetra vaovao izay napetraka. Ny tanjona tamin’izany dia ny mba hahafahan’ny firenena mahazo tombony sy hisian’ny fanadiovana ny tontolon’ny volamena. Tsy maintsy manaraka ireo fepetra rehetra napetraka araka izany ireo mpisehatra rah ate hahazo alalana amin’ny famoahana izany volamena izany.
Nanazava ireo fepetra vaovao araka izany ny avy ao amin’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika. “Tsy ny mpanafatra sy ny npanondrana intsony no manatanteraka ny famindram-bola fa ny bankin’ny mpanafatra sy ny bankin’ny mpanondrana mba hahafahana mamaritra ny tamberim-bidy sy ny vola vahiny. Niova ho roa volana ihany koa ny fotoana famerenana an-tanindrazana ny vola vahiny. Nohavaozina tanteraka ny « régime de l’or », ary fantarina ny fiavian’ny volamena. Arahi-maso avokoa ny fiavian’ny volamena sy ny toerana nandalovany, mianga avy amin’ny fanangonana, ny fanondranana”, hoy ny Minisitra Olivier Herindrainy Rakotomalala.
Raha ny ny fanovana ireo voalaza ireo dia misy ihany koa ireo feeptra vaovao novole,na hahafahana mahazo vokatra tsara. “Hanomboka hisy ny famenoana ny bokin’andraikitra, eo ihany koa ny “comptoir” ho an’ny fanondranana ka ireo orinasa efa mpanao fomba tsy mety dia tsy hahazo fahazoan-dalana intsony. Apetraka eny anivon’ny seranam-piaramanidina ny « Guichet unique » fanondranana volamena. Hita amin’ny toerana iray daholo ny Sampan-draharaham- panjakana voakasiky ny raharaha fanondranana”, hoy hatrany ny Minisitra tamin’ny fanzavany.
Tsara ny mampatsiahy fa nanomboka ny 25 septambra 2020 no natsahatra ny fanondranana volamena teto Madagasikara noho ny fisian’ny fanondranana an-tsokosoko sy ny tsy fampodiana ny vola vahiny an-tanindrazana no antony fanakatonana. Araka izany dia azo antoka fa hiverina amin’ny laoniny izany amin’ny fanarahana ireto fepetra vaovao ireto. Tokony samy hanaraka izany avokoa ny tsirairay hahafahana mamongotra ny ratsy eto amin’ny Firenena. Hiasa mafy ihany koa ireo tompon’andraikitra ho amin’ny fanatratrana izany tanjona izany.
Miora Raharisolo
