ActualitésTatitra


Finlande : Old Gentleman, « combinaison de plongée » voalohany

Tao Finlande no nampiasana ny « combinaison de plongée » voalohany tany amin’ny taonjato faha-18 nantsoina hoe « Old Gentleman ». Vita tamin’ny hoditra biby izy io ahitàna fantsona ahafahana mandefa rivotra iainan’ilay olona ao anatiny. Nentina nizahana ny vatan’ny sambo, tsy nila nentina teny amin’ny seranana no nampiasaina io « combinaison » io tamin’izany.

Mbola hita ao amin’ny tranom-bakoka Raahe ao Finlande kosa io Old Gentleman. Ny kapiteny Johan Leufstadius (1795-1867), « armateur » sy tantsambo tao Filande no nanolotra izany io toerana io. Marihina fa tranom-bakoka ela nisiana indrindra tao an-toerana ny Raahe.

Laisser un commentaire