ActualitésTsidika

Alasora : Tontosa soa aman-tsara ny fanolorana ireo fanomezana nandritra ny « Coupe du maire 2022 »

Tontosa soa aman-tsara ny Sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny kianja maitso Alasora ny fanolorana ireo mari-pankasitrahana sy fanomezana avy amin’ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Alasora ho an’ireo ekipa nandray anjara tamin’ny fifaninana lalao baolina kitra « Coupe du Maire  2022 ». Mpandray anjara maro tamin’ny fifaninana ara-panatanjahantena toy ny baolina kitra, ny basket, ny tsipy kanety be ary ireo mpandray anjara teo amin’ny taranja fanorona no nisitraka izany fanomezana izany.

« Nahazo ny anjarany avokoa ireo mpilalao sy mpandray anjara rehetra tamin’ity « Coupe du maire 2022″ ity, 68 ireo mpilalao lehilahy sy vehivavy teo amin’ny taranja baolina kitra nahazo ny fanomezana. 19 kosa ireo mpilalao teo amin’ny taranja baskety lahy sy vavy. Ary nisy ihany ko teo amin’ny taranja fanorona sy tsipy kanetibe » hoy ny avy eo amin’ny fiadidina ny kaominina.

« Ankasitrahana feno ny mpikarakara rehetra, indrindra fa ny ben’ny tanàna nanome sehatra sy nanohana feno ny fanatanjahan-tena sahala amin’izao, manosika indrindra ny sehatry ny fanatanjahantena eto Alasora ny tahaka izao » hoy i Lova, mpilalao ny taranja tsipy kanety be.

Anisan’ny efa ela niandrasana izao seho fanolorana ny fanomezana izao ireo mponina tao Alasora, seho izay narahina hira gasy goavana tao an-toerana. Nahazo ny anjarany ireo mpandray anjara ara-panatanjahantena araka izany, fa nahazo sehatra ihany koa ny vakoka sy ny nentin-drazana malagasy.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire