SocialTsidika

RN5A : Miroso hatrany ny asa fanamboaran-dalana

Efa manomboka ny fandrakoafana tara ny lalam-pirenena fahadimy A, izay mapitohy an’i Vohemar sy Ambilobe, faritra Antsiranana, ankehitriny. Tombanana ho fitopolo isan-jaton’ny tetika no efa vita tanteraka amin’izao fotoana. Fiaraha-mientan’ny Minisiteran’ny asa vaventy sy ireo olom-boatendry sy olom-boafidy tany amin’ny faritra Antsiranana no nahafahana nanatanteraka ny fanatsarana sy fanamboarana ny lalana any amin’ny faritra.

Anisan’ireo lalam-pirenena nampitaraina ireo mpamily mizotra ny faritra Antsiranana ny lalam-pirenena fadimy A noho ny haratsiny, indrindra rehefa vanim-potoana fahavaratra. Maherin’ny efatra amby roapolo ora no hanaovana ny halaviran-dalana manodidina ny 162 kilometatra. Etsy andaniny, mbola maro ireo toerana saro-dalana raha ny any amin’ny Antsiranana manokana, raha tsy hilaza hafa-tsy ny lalana mampitohy an’Ambanja sy Ambilobe, saingy tsy mbola ahitana fanamboarana izany.

« Mankasitraka ny finiavan’ireo tompon’andraikitra rehetra manoloana izao fanamboaran-dalana izao. Hita sahady ny fandrosoan’ny asa na dia mbola ny ampahany ihany aza no vita » hoy i Liva, mpamily fiara amin’ny zotra nasionaly. « Alohan’ny 26 jona 2021 no nampanantena ny filoha fa ho vitaina tanteraka ny lalana. Efa hiditra amin’ny volana novambra isika izao nefa mbola ny ampahany amin’ny asa ihany no tanteraka. Ny mampalahelo ihany koa dia ireo faritra voakasiky ny fanatsarana hatramin’izay ihany no misitraka fanovana. Aiza ho aiza ilay fampanatenana ny fampandrosoana isam-paritra ? » hoy i Tojo, mponina avy any amin’ny faritr’i Betafo.

« Ezahina ho vita alohan’ny vanim-potoanan’ny ny fahavaratra ny asa, ary inoana ny hitohizan’ny fiaraha-miasa amin’ny faritra hafa, misokatra ho an’ny rehetra ny Minisiteran’ny asa vaventy » hoy ny tompon’andraikitra eo amin’ny Minisiteran’ny asa vaventy. « Mizotra antsakany sy andavany ny asa, fampandrosoana ny faritra no himasoana ka miara-mientana amin’izany avokoa ny olom-boafidy sy olom-boatendry izay fitaratra ho an’ny vahoaka manoloana ny firaisan-kina » hoy i Assumo Bruno, solombavam-bahoakan’i Madagasikara voafidy tany amin’ny faritra Ambilobe.

Tsapa ankehitriny fa ny fiaraha-mientana hahatratra ny tanjona ihany no lalana mitondra amin’ny fampandrosoana fa tsy ireo fanakianana ataon’ny olona tsy mankasitraka ny fitondrana. Firenena mbola mampanjaka ny demokrasia i Madagasikara, manana fahafahana haneho hevitra avokoa ny mponina rehetra. Saingy tsy azo ekena raha toa ka hevitra hampivarina ny firenena indray no ambara amin’izany. Fanarenana ny fahantran’i Madagasikara no tanjona, koa izay rehetra laharam-pahamehana hahatanteraka izany no tokony himasoan’ny vahoaka manontolo.

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire