Fivoriana ara-potoana maharitra voalohany nataon’ny Antenimieram-pirenena : Natao tamin’ny asa ampitain-davitra.
Tsy natao ho sakana tsy hanaovan-javatra sy tsy hampandrosoana ny asa ny fisian’ny valan’aretina covid-19 eto amin’ny tany sy firenena. Nosokafana omaly 4 may 2021 ny fivoriana ara-potoana voalohany fanaon’ireo solombavambahoaka ao amin’ny Antenimieram-pirenena. Tsy toy ny efa fanao isaky ny fivoariana moa ny tamin’ity fanokafana ity fa fivoriana ampitain-davitra no natao mba ho fisorohana ny olana eo amin’ny fahasalaman’ny solombavambahoaka sy ny mpiasan’ny Antenimieram-pirenena, toy izay miseho isaky ny fivoriana noho ny fiparitahan’ny valan’aretina covid-19, hoy ny filohan’ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa. Notazomina hatrany anefa na izany aza ireo fitsipika anatiny mifehy ny antenimieram-pirenena hoy hatrany izy. Notanterahina tamin’izany moa ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana sy ny fanomezana ny tolo-dalàna maromaro amin’ny solombavambahoaka ary ny fanaraha-maso atao amin’ny fahefana mpanantanteraka. Mbola tonga nanatrika ny fotoam-panokafana tao Tsimbazaza toy ny hatrizay ihany anefa ireo solombavambahoaka TIM ary nanambara aza moa ny solombavambahoaka voafidy tao Ambatondrazaka Fidéle Razara Pierre fa tsy mbola nahazo fitaovana hanaovana ny fivoriana ampitain-davitra izy ireo ka izay no anton’ny fahatongavany teny Tsimbazaza. Nanamafy hatrany moa izy ireo ny amin’ny hanatanterahana ny fivoriana mivantana fa tsy ampitain-davitra noho ny fahamaroan’ireo zavatra tsy azo atao amin’ny fivoriana tahaka izao toy ny latsabato miafina sy adihevitra isan-karazany, hoy hatrany Fidéle Razara Pierre. Hatrizay kosa aza moa fivoriana mivantana toa zara raha misy hevitra tapaka ka maika fa izao ampitain-davitra izao. Ny fandaminana koa toa tsy mandeha araka ny tokony ho izy fa toa misy hatrany ireo solombavambahoaka maningana.
Ally Herisoananahary
