ActualitésTsidika

Gym BAC: Hanomboka ny herinandro izao, mbola misy ireo tsy nahazo taratasy fiantsoana

Efa miroso tsikelikely amin’ny fanadinam-panjakana isan-karazany ny Ministera rehetra misahana ny fanabeazana amin’izao fotoana izao. Araka izany dia efa hiroso amin’ny adina ara-panatanjahantena ny mpianatra eto Antananarivo ny herinandro ho avy izao. Mimenimeina anefa ireo sekoly, mitaintaina ireo mpianatra sy ny ray aman-dReny satria dia mbola misy ireo tsy naharay ny taratasy fiantsoana azy ireo mpianatra.

“Efa ela no nandefasana ny fitarainana. Nilaza hamaha ny olana ny ofisy satria avy amin’izy ireo ilay olana. Hatramin’izao anefa dia mbola tsy naharay ireo taratasy fiantsoana ny mpianatra. Mitaintaina ireo mpianatra ka na izahay aza dia miandry ny fandaminana hatrany”, hoy ny Talen-tsekoly iray

Nanamafy anefa ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa fa mandeha arak any tokony ho izy ny fandaminana rehetra. “Tsy tokony hitaintaina ny mpianatra fa tsy maintsy hahazo ny taratasy fiantsoana azy ireo. Mbola manana herinandro ny ofisy hahafahana mandefa ny taratasy fiantsoana ka tsy maintsy ho azon’izy ireo izany”.

“Mety hisy fiantraikany amin’ireo ankizy hiatrika ny fanadinana ny fikorontanana lava toy izao. Mety iray andro alohan’ny hanatanterahana ny adina vao ho fantattra dia ho taitaitra ireo ankizy ireo. Manahy ny amin’ny adina an-tsoratra ihany koa izahay raha ny fahitana izao fandehan’izao raharaha izao”, hoy ireo Ray aman-dReny.

Tsara ny mamptsiahy fa “coéfficiente 2” ny adina ara-panatanjahantena ho an’ireo sokajy vaovao ka tena mila fiomanana tsara izany, indrindra ny ara-batana. Efa 52 andro ihany koa sisa  dia higadona ny adina an-tsoratra amin’ity fanadinam-panjakana ity.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire