ActualitésTatitra

Guyana : Tovovavy iray no nandoro trano iray rehefa nalain’ireo tompon’andraikitra ny findainy

Tovovavy iray monina ao amin’ny toerana natokana ho an’ny mpianatra iray tao Guyana, ao Amérique du Sud no nandrehitra ny trano rehefa nalain’ireo tompon’andraikitra ho fanasaziana azy ny findainy. Tovovavy maro no nonina tao amin’io toerana ary 19 no namoy ny ainy nandritra ny loza.

Raha ny fanazavan’ny tompon’andraiktry ny toerana dia nandrahona handoro teo imason’ny ankizy rehetra io tovovavy io taorian’ny nakan’izy ireo ny findainy, antony nitodihan’ny ahiahy tany aminy. Araky ny fijoroan’olona tsy nitonona anarana vavolombelona kosa dia niditra tao amin’ny toeram-pidiovana iray io tovovavy io, naka famonoana bibikely, nandraraka izany ary narehiny. Tovovavy maro tao amin’ny trano ihany koa no nanamafy izany fanazavana izany.

Any amin’ny hopitaly kosa io tovovavy nahavanon-doza io amin’izao fotoana ary arahin’ny polisy maso.

Laisser un commentaire