ActualitésTatitra

Corée du Sud: Nahafaty olona maro ny fiakaran’ny rano tao an-toerana

Faritra maromaro tao Corée du Sud no nisedra andro ratsy sy ora-nikija. Manoloana izany dia tondraka ny rano, nisy ny fihotsahan-tany ary vaky ireo tohadrano sasantsasany. Raha ny tatitry ny manam-pahefana tao an-toerana dia olona 22 no namoy ny ainy vokatr’izany ary olona 14 kosa no mbola tsy hita.

Raha ny fanazavan’ny ministeran’ny atitany kosa dia tao amin’ny faritanin’i Gyeongsang no tena voakasiky ny voina izay nisy olona 16 maty sy 9 tsy hita. Marihana fa faritra be tendrombohitra io faritra io ka maro ireo trano tototry ny tany. Mitohy kosa ny fikarohana ireo olona mbola tsy hita ary heverina fa mbola hitombo ny isan’ireo lavo nandritra io loza voajanahary io.

Laisser un commentaire