Dialogue Public Privé : Miantso fanovana ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina.
Efa vita ny fivoriana an-databatra boribory andiany faha-enina izay niadina hevitra mahakasika ny sehatr’asam-panjakana sty ireo tsy miankina. Mitaky ny fitovian-jo sy ny fanovana ny hevitra izay mahakasika nazy ireo ny sehatra tsy miankina. Tapaka tamin’izany ihany koa fa ahena ho isaky ny 3 volana ny latabatra boribory fa tsy enim-bolana intsony.
« Tokony hamboarina ho DPP hahafahan’ny rehetra mandray anjara sy mamoaka ny heviny araka ny tokony ho izy ny fivoriana izay hatao. Tokony ho fotoana iray hiadiana hevitra hahafahana mamoakatra zavatra miangana ny fotoana fa tsy hoe fotoana hitarainana ho an’ireo orianasa sasany izay mety manana olana », hoy ny mpandray anjara iray avy amin’ny sehatra tsy miankina nandritra ity andiany faha-enina ity.
« Mbola maro ny fanovana tokony hatao satria ity fotoana ity toa ohatran’ny misy tsy mahazo ny tanjona amin’izany. Nivoitra nandritra ny fivoriana ny mahakasika ny fanatsarana ny fampiasam-bola sy ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Vonona ny hitondra fanovana amin’izany ny Ministera tantanako. Ilaina ihany koa anefa ny maheno ny hevitr’ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina mba hampiakarana sy hanovana ny fomba famindra fa tsy faly fotsiny hanaratsy ireo mpamatsy vola », hoy ny Minisitry ny Indostria, ny Varotra ary ny fanjifana, Edgard Razafindravaha.
Fametrahana sy fikarakarana latabatra boribory toy izao indrindra no hanamorana ny fampandrosoana. Ahitana ireo mpisehatra rehetra ka afaja mahazo toro maro samihafa avy amin’ny sehatra rehetra. Tsy tokony hatao ambanin-javatra noho izany ny fotoana toy izao ary tokony karakaraina ho an’ny sehatra tsirairay.
Miora Raharisolo
