Fivarotana sy fifohana rongony : Olona teloha lahy voasambotrin’ny polisy
Voasambotrin’ny polisy tao amin’ny amin’ny CC-Atsimondrano Tanjombato ireo telo lahy mivarotra sy mpifoka rongony. Nahiditra am-ponja vonjimaika teny amin’ny fonjan’ny Antanimora rehefa niatrika fitsarana teny amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy. Vaovao avy amin’ny olona no nahafahan’ny polisy nametraka velam-pandrika rehetra hisamborana ity mpivarotra zava-mahadomelina ity. Mivarotra rongony ao an-tranony, ao Ankadinandriana, kaominina Ankaraobato i Ramaro. Sarona nandritra ny fisavana nataon’ny polisy ireo rongony izay kasaina hamidy. Amidiny amin’ny sarany 1 000 ar ny iray fonosana. Marihana fa efa voahelokin’ny lalàna tamin’ity resaka zava-mahadomelina ity i Ramaro tamin’ny taona 2022. Nefa izao mbola namerina izao indray. Raha ny voalaza.
Miha mahazo vahana eto amin’ny amin’ny distrika ny atsimondrano ankehitriny ny fandraisana zava-mahadomelina .Efa betsaka ny olona no roboka amin’ny fifohana zava-mahadomelina , ahitana ny olon-dehibe, tanora, vehivavy sy lehilahy. Misy ihany koa ireo ankizy tsy ampy taona izay efa tafalatsaka sahady ao anatiny. « Miteraka tsy filaminana eo anivon’ny fiarahamonina ny fandraisana itony zava-mahadomelina itony. Lasa mahatonga ireo tanora tsy an’asa hangalatra sy hanao asa fanendahana ny fifohana ny rongony. Miteraka tsy fandriam-pahalemana eto an-toerana noho izany ny fiparitahany. », hoy i Liva, tompona tsenam-barotra. Miantoka ny fandriampahalemana noho izany ny fiadiana amin’ny fiparitahan’ny rongony ity. Etsy andaniny ,tanjona lehibe ho an’ny mpitandro filaminana ny hampandry fahalemana tanteraka ny kaominina. Manantena ny fiarahamiasa amin’ny vahoaka hatrany izy ireo mba hamongorona ity sehatra manimba ny fiarahamonina ity.
Raha mikasika ny mpifoka indray no resahana, dia matetika ny tanora no lasibatra. « Matetika ny fanandrakadramana no maha voatarika ny tanora hirona amin’ny fifohana rongony. Misy amin’izay anefa ireo tanora izay tsy manana antom-pivelomanana tsara no tsy manana fahafahana intsony hividy, hany ka manao asa ratsy mba hitadiavana vola. Fototra ratsy lehibe ho an’ny olona ny fiankinan-doha amin’io.», hoy i Samson mpampianatra eny amin’ny ambaratonga ambony.
Trangam-piarahamonina tokony jerena akaiky ity sehatra fivarotana zava-mahadomelina ity. Antony voalohany amin’izany, ny tsy fisian’ny asa. Manamafy sy mampiroborobo ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina izany satria tsy misy asa raikitra ny olona. Hany ka io no lalana hitany fa ahazoana vola haingana. Efa betsaka ny manao ity asa ity mba hivelomanana.
Erwan RAN
