ActualitésTatitra

Chine : Hopitaly iray no nirehitra tao Pékin

Olona 29 no namoy ny ainy vokatry ny fahamaizana hopitaly iray tao Pékin ny talata teo raha ny tatitr’i Li Zongrong, ben’ny tanàna lefitra ao amin’ny distrikan’i Fengtai, izay toerana nisy ilay hopitaly. Olona 12 kosa no nosamborina manoloana io tranga io raha ny fanazavana avy amin’ny manam-pahefana. Isan’izany ny talen’ny hopitaly sy mpiasa maromaro nisahana ny asa fanavaozana ny toerana.

Raha jerena avy aty ivelany ny varavarana miditra ny hopitaly dia toa tsy nisy na inona na inona niseho saingy vao miditra ao anaty dia fandriana may sy rindrina mainty no vantanina ao amin’izany hoy kosa ny famakafakan’ny haino vaky jery ekonomika Caixin. Manohy ny fanadihadiany kosa ireo tompon’andraikitra izay nanamarika fa io tranga fahamaizana no nandoza indrindra tao Chine renivohitra hatramin’ny taona 2002.

Laisser un commentaire