Tetik’asa OTOH : Mahavita trano iray dia mahazo titre iray
Hotanterahina ao Antsirabe ny tetik’asa OTOH, na ny « One Title, One Housing ». Hotolorana tany mirefy 200 m2 ny olona iray izay afaka misitraka izany ka raha mahatsangana trano iray ao anatin’ny iray taona dia hotlorana maimaim-poana ho azy ihany koa ny titra. Fanararaotra ity fotoana ity izay haharitra efatra andro irery ihany ny fisoratana anarana, efa nanomboka omaly ary hifarana ny alatsinainy izao.
« Tsotra ny foto-kevitr’ity tetik’asa ity satria hotolorana maimaim-poana avokoa ireo tany sy titra rehefa mahafeno ilay fepetra, izany hoe mahaorina trano iray ao anatin’ny erintaona ilay olona iray. Herinandro no hatolotra ireo izay liana amin’ny fisoratana anarana ao amin’ny Prefektioran’Antsirabe. Hivoha sabotsy sy alahady ny birao mpandray ny fisoratana anarana. Eny Ivohitra Antsirabe ihany moa no misy izany toerana hotolorana izany », hoy ny avy ao amin’ny SENVH.
Marihina fa tsy ny rehetra no afaka mandray anjara amin’izany fa ny Malagasy mihoatra ny 22 taona mbola tsy manana trano sy tany hanorenana irery ihany ka manana porofo mazava ny amin’izany. Ny antontan-taratasy ilaina amin’izany dia ny dika mitovy ny karapanondrom-pirenena sy dika mitovy ny karapanondrom-pirenen’ny vady raha efa manambady ary ny fanamarinam-panambadiana. Ampiarahina amin’izany ny fanamarinam-ponenana.
Naneho ny tsy fahafahampo,ny kosa ireo olona izay naniry hisitraka ny trano mora tao Vatofotsy Antsirabe ihany. « Hatramin’izao tsy hita izay tohin’iny trano mora iny. Milaza hatrany fa andalam-pikarakarana. Aiza ihany anefa izany. Tokony mba halefa araka ny sokajiny izy ity fa tsy ny eo ambilia tsy lany ny any am-bilany takarina ihany », hoy i Andry, nanoratra anarana.
Ireo tetik’asa rehetra teo aloha araka ny fanambaran’ny SENVH hatrany dia mbola mitohy ary andalam-pamitana izany ny tompon’andraikitra ka izany indrindra ny ilaina ny faharetan’ny tsirairay. Fanararaotra ity fotoana iray ity ho an’ireo izay manana fahefana ny amin’izany. Mbola manana 5andro be izao araka izany izay te hisitraka.
Miora Raharisolo
