France : Toerana marefo indrindra ao Europe manoloana ny onjan’afanana i Paris
Nisy ny valin’ny fanadihadiana nivoaka tao amin’ny The Lancet Planetary Health manoloana ny mety hisian’ny onjan’afanana (canicule) ao Europe. Voarakitra ao anatin’izany fa i Paris no tanàna marefo sy ahiahy hisian’ny olona ho fatin’ny hafanana betsaka indrindra ao Europe amin’ny vanim-potoana mety hisehoan’izany.
Io renivohitr’i France io no ahitana ny maripana ambony indrindra ao Europe mandritra ny onjan’afanana raha ny valin’ny fanadihadian’ny The Lancet Planetary Health. Marihana fa nampitaha renivohitra 30 mandrafitra an’i Europe izy ireo nandritra ny fikarohana nataony (firenena 27 ao amin’ny vondrona eropena miampy an’i Norvège, Suisse ary Royaume-Uni).
Ahiana ho maro kosa ny taham-pahafatesana ao Paris manoloana izany hoy ny tompon’andraikitry ny fikarohana sy mpikaroka ao amin’ny London School of Hygiene & Tropical Medicine, Pierre Masselot.
