Ambohimanambola: Nitohy tao amin’ny fokontany Gara ny fanentanana isam-pokontany nataon’ny tomponandraikitry ny kaominina
Nanatanteraka fanentanana isam-pokontany, ka nitety ireo fokontany ao anatin’ny kaominina ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina Ambohimanambla ny faran’ny herinandro teo. Nihaino ny fitarainan’ireo mponina, no nanentana mahakasika ny hetra ireo tomponandraikitra nandritra izany.
“Nisy ny fivoriam-pokonolona natao teto amin’ny fokontany Gara. Maro ireo mponina no tonga nanatrika izany ary nandray ireo vaovao tsara ho fantatra mikasika ny asa sy ny fiaraha-miasa ary ny fomba fiasa eto amin’ny kaominina. Nisy ihany koa ny fandraisana ireo fitarainana sy soso-kevitra avy amin’ny mponina teto amin’ny fokontany” hoy ireo tomponandraikitra.
“Anisan’ny nampitaraina ny mponina ny mahakasika ny fanorenena sy ny fikarakara taratasy eto amin’ny kaominina. Eo ihany koa ny momba ireo rano maloto miparitaka, ny momba ny fampidirana rano fisotro madio, ny fanadiovana ny kava-drano iombonana ary ny firenirenen’ny alika sy ny fehezam-pitsipika kaominaly ary ny fandriam-pahalemana” hoy hatrany ny fazavana.
Tsy hijanona ho fitarainana fotsiny ihany ireo nataon’ny mponina. Ho raisin’ny tomponandraikitra voakasika tsirairay avy ireo fitarainana, arak any voalaza hatrany, ary hisy ny fandraisana an-tanana aorian’izany.
