PolitiqueTatitra

Gaza: Manameloka ny herisetra atao amin’ny ankizy sy ny vehivavy ny firenena mikambana

Manameloka ny herisetra mianjady amin’ny ankizy sy ny vehivavy vokatry  ny ady eo amin’ny Israely sy Hamas, ireo mpisehatra amin’ny zon’olombelona avy amin’ny firenena mikambana, ao Palestina. Tafiditra ao anatin’izany avokoa na ireo herisetra ara-nofo na ireo fanerena hiala ny firenena. Manohitra tanteraka ary tohina noho ny zava-misy hiainan’ireo zaza amam-behivavy lasibatry ny ady kanefa hodian-tsy hita ny firenena mikambana. Potika ny fiainan’izy ireo ary voahitsakitsaka ireo zo fototra mahaolona vokatry ny ady. Namaly ity fanambarana ity i Israely taorian’izay ka nilaza fa lasibatry ny fanafihana ataon’ny tafika Hamas ny toeram-pitsaboana sy foto-drafitr’asa maro ao an-toerana, izay tsy azo hodian-tsy hita. Nanamafy ireo avy amin’ny firenena mikambana, ny fanapotehana ny mahaolona, manomboka amin’ny fanapotehana ny toeram-ponenana. Nijery manokana ny fiainan’ireo vehivavy izy ireo ao anatin’izay, ireto farany izay miaina anaty hirifiry sy tahotra isan’andro. Maherin’ny 50.000 ireo vehivavy palestinianina mitondra vohoka ary 20.000 ny zaza teraka tao anaty ady. 183 ireo teraka isan’andro any an-toerana ary maro ireo zaza maty vokatry ny tsy fahampian’ny fandraisana an-tanana sy ny tsy fisian’ny jiro sy ny foto-drafitr’asa.

Laisser un commentaire