ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Niroso tamin’ny fanentanana isam-pokontany momba ny hetra ny kaominina

Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny fandehanana ifotony nataon’ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, hanentanana ny mponina mahakasika ny hetra. Tao amin’ny fokontany Andranomanonga sy Iharamy no nanaovanao fampahafantarana voalohany tamin’izany.

« Nandritra izany fotoana izany no nanaovana ny fizarana vaovao mikasika ny asa vita sy nandraisana ireo fitarainan’ny mponina. Nisy ihany koa ny fanentanana sy fizarana ireo tsara ho fantatra momba ny hetra 2019-2020 » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Nozaraina ny antontan’isan’ny hetra trano sy tany isam-pokontany mba ahafahana manentana ny tsirairay hanao ezaka entina manatsara ny ho avy » hoy hatrany ny fanazavana.

Ilaina ny fanentanana momba ny hetra. Ao anatin’izany no tsara ampafantarana ny mponina ny mangaraharaha ao anatin’ny fitantana izany ahatonga azy ireo hazoto amin’ny fandoavana hetra. Amin’ny lalan’ny fandoavana hetra no hisian’ny tamberin’andraikitra hanatsarana ny isam-pokontany.

Laisser un commentaire