SocialTsidika

Sofia : Tanora mpandihy nentim-paharazana miisa 30 no nahazo mari-pankasitrahana

Nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo tanora 30 mpandihy nentim-paharazana tany amin’ny faritra Sofia. Ezaka amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina tokoa ny ataon’ireto tanora ireto.

« Tsara ny ezaka vitan’ireto mpandihy ireto eo amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina indrindra ny famohazana ireo dihy nentim-paharazana » hoy ny Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina. « Ny hanatsarana sy hampiroborobo ny kolontsaina amin’ny alalan’ny dihy nentim-paharazana mihoatra ny efa vita hatrizay no tanjonay. Tianay ihany koa ny hitaona sy hampianatra ireo tanora namanay » hoy ireto tanora mpandihy ireto. « Efa tena mirona amin’ny dihy an-drenivohitra avokoa ny ankamaroan’ny tanora. Very ny dihy nentim-paharazana ary mila fohazina izany” hoy i Fano, mpandihy nentim-paharazana.

Marihina fa mivoy ny dihy bahoenjy sy malesa, salesa sy ny karazan-dihy nentim-paharazana maro hafa ireto tanora miisa 30 ireto. Tsara tokoa ny manandratra hatrany kolontsaina mampiavaka an’i Madagasikara manokana. Raha ny tompony tokoa aza tsy tia, ahoana no itiavan’ny hafa azy ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire