Milaza hamorona ny prefektioran’ny Vatovavy ny Ministeran’ny atitany sy ny fanapariaham-pahefana
Nanao fanambarana ny Ministeran’ny atitany sy ny fanapariaham-pahefana fa efa eo andalam-pitsanganana ny prefektioran’ny faritra vaovao. Tonga tany Mananjary moa ny minisitra Pierre Holder Ramaholimasy ny herinandro lasa teo mba hihaona amin’ireo voafidy sy ireo tompon’andraikitra maro eo amin’ny fitondrana any an-toerana. Distrika fitantanana mifandraika amin’ny fanangonana faritany itsinjaram-pahefana vaovao moa ny prefektiora izay hatsangana ao amin’ny faritri’i Vatovavy.
Raha tsiahivina moa, ny faritra Vatovavy izay nambara ampahibemaso fa faritra faha 23 eto Madagasikara ny 11 aogositra 2021 lasa teo. Noho izany, lasa nizara ho faritra roa mazava tsara ny faritra Vatovavy sy Fitovinany. Ny faritra Fitovinany izay ahitana ny distrikan’Ikongo, Manakara ary Vohipeno ; ny faritra Vatovavy kosa izay hahitana an’Ifanadiana, Nosy Varika ary Mananjary. Tanjona tamin’ity fizarana ity mantsy ny fanamarinana ny fitantanan-draharaham-panjakana akaikin’ny olona mba tsy hivezivezen’ny mponina kilometatra an-jatony intsony raha hanatanteraka ny fomba fitantanan-drahadraha izy ireo. Kanefa, azo eritreretina ihany ve ny mety ho fampandrosona ireo drafitra napetraka ireo raha dinihina ?
« Mitsinjo tanteraka ny fahasahiranan’ny vahoaka tokoa aloha ny fitondrana e ! » hoy i Bako, mponina ao Mananjary ». Tsy mety izao fizarana natao izao ary mety misy ambadika ara-politika » hoy kosa i Bary. « Misolo toerana ny filohan’ny Repoblika eo amin’ny fiarahamonina ho mpandrindra ny asa fampandrosoana ny governora » hoy ny governora Lucien Laurel Razafitsotra. Kanefa, « tokony ho olona efa mponina tao amin’ny faritra ihany no notendrena ho governora sy mpiadidy ny faritra » hoy ny manam-pahaizana Michael Randriamaniraka.
Mety hampilamina sy hampirindra ny faritra tokoa izao fizarana natao izao. Ho porofon’izany ny prefektiora izay efa eo andalam-pitsanganana ho an’ny faritra Vatovavy. Inoana tanteraka fa hampandroso ny faritra io prefektiora izay hatsangana io raha ny fandihina natao.
Raha izay ary, afaka hatoky tanteraka ve ny mponina fa tena hampandroso ny faritra Vatovavy tokoa ny fananganana prefektiora ao amin’ny faritra ?
Miangaly Rasoamihajamanana
