ActualitésTsidika

Niakatra ny voan’ny SIDA any Boeny

Tsy dia henoheno kanefa mbola tsy lefy eto amintsika ny fisian’ny tsimok’aretina VIH-SIDA amin’izao fotoana izao. Nahitana fiakarany mihitsy aza ny tahan’ireo olona voamarina fa mitondra io tsimok’aretina io any amin’ny faritra Boeny indrindra tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fihibohana.

« Nahitana fiakarana ny tahan’ny olona mitondra ny VIH ary nahitana azy avokoa na ny lehilahy afaka mivady amin’ny lahy sy ny mpivaro-tena ary indrindra aza ireo vehivavy bevohoka » hoy Dr Hoasy Solange, talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka any Boeny. « Ny doka mandeha amin’ny haino aman-jery dradradraina isan’andro mikasika ny fandrindram-piterahana ho an’ny tanora io no tena mampirongatra azy io, raha misy misitraka tombontsoa manokana ao satria mahazo vola ; etsy an-kilany misy fiatraikany betsaka amin’ny fanabeazana ny zanaka malagasy » hoy i Arthur, raim-pianakaviana monina any Mahajanga.

« Mila malina ny tsirairay satria efa miparitaka eo anivon’ny fiarahamonina ity areti-mandoza ity ka mila miray hina isika haidy amin’ity aretina ity mba tsy hahazo ireo taranaka any aoriana intsony » hoy ny mpitsabo iray. Marihina fa misy ivon-toerana mandray an-tanana ireo marary ny VIH/SIDA any Mahajanga ary tsara raha manantona any raha mila fanazavana fanampiny. Ilaina ve ny fanokana-monina ireo hita fa mitondra ny soritr’aretina mba hifehezana azy tsy hamindra amin’ny hafa na dia tsy mifindra amin’ny fifampikasohana tsotra aza izy ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire