ActualitésTsidika

EPP Fidasiana : Anisan’ireo EPP mbola tsy misy fanarenana eto Madagasikara

Sekoly EPP iray ao amin’ny commune Mananasy, distrikan’ny Soavinandriana no fantatra fa tena sahirana, ary tsy misy fanarenana na foto-drafitr’asa ao an-toerana.

Vao tsy ela no naharaisana fitarainana ny EPP tany faritry Toliara faharoa tao Maromiandra, teo koa ny tao amin’ny disistrikan’ny Manjakandriana di any EPP Ambohitravao izany. Izao koa ty ny ao Soavinandriana Itasy.

« Biriky no atao tongotry ny dabilio ary varavarana efa tsy mihidy intsony, tafo sady efa bozaka no mbola zara raha mitafo koa ; mba misy ihany ireo ankizy mazoto mianatra fa ny toeram-pianarana mihintsy no tsy zarizary na ratsy mihintsy aza » hoy ny mpanabe iray ao an-toerana, raha naneho ny amlahelony ny amin’ny tsy fijerena ny sekoly ao aminy.

« Tsy ampy ny fitarainana alefan’ireo tompon’andraikitra ka izay no antony tsy hisian’ny fidinana ifotony ety an-toerana, mety ho efa nisy koa ny fanampiana fa ny tompon’andraikitra no tsy miasa saina ny mba hanarina » hoy kosa ny solon-tenan’ny Ray aman-dReny ao amin’izany sekoly izany.

Efa nisy kosa ny fanomezana boky « Rakibolana ho an’ny Mpianatra » avy tamin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena hoy i Avotra solon-tena, ary nilaza ireo fa « efa hita ho anisan’ireo EPP mbola mila fanarenana tokoa io EPP io ary ho areninana tsy ho ela ».

« Na dia ilaina azan y fanamboran-dalana sy ny fananganana foto-drafitr’asa vaovao maro, dia tsy tokony hatao tsinontsinona koa ireto hoavin’ny firenena, mila tohanana ireny ankizy madinika ireny, mila omena trano fianarana hampatsilo ny sainy izy mba hampazoto lalan-dava azy amn’ny fianarana » hoy i Tojo, solon-tena avy amin’ny fikambanana miaro ny zon’ny ankizy.

Hita sy re eraky ny vaovao maro isan-karazany fa misa mafy tokoa ny fitondrana, amin’ny fanamboaran-dalana sy fananganana foto-drafitr’asa maro saingy ny tsy fantatra dia hoe tsy fantatr’izy ireo ve ny fisian’itony toeram-panabeazana tsizarizary itony ? Tsy iray tsy roa fa toa hila hisy eraky ny distrika mihintsy, sa ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena mihitsy no minia tsy mijery ?

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire