Ho ratsy ny vokatra litchis amin’ity taona ity
Hita fa efa saika hamelana avokoa ny litchis any amin’ny faritra Atsinanan’ny nosy iny amin’izao fotoana izao ary misy aza ireo efa mitsiry ho voany. Mahatsikaritra anefa ireo tantsaha fa mety tsy ho betsaka ny vokatra ho amin’ity taona ity. « Hihena ny vokatra amin’ity taona ity raha mitaha ny tamin’ny roa taona lasa satria lany ny tsiron’ny nofon’ny tany tao anatin’izay roa taona nifanesy izay ihany koa ny fakana aina ny fototra litchis namoa be nandritra ny roa taona » hoy i Leonie, mpamboly litchis.
« Efa hita sahady amin’izy mamelana iny ny vokatra avy eo ka eo no hahafahana mamaritra sahady ny voany izay miankina indrindra amin’ny toetr’andro » hoy i Christian, injeniera amin’ny fambolena. « Mety ho atsasaky ny vokatra teo aloha no ho azo amin’ity taona ity ary hihena hiaraka amin’izay ihany koa ny vola miditra amin’ny tantsaha, ny vidiny rahateo tsy misy fivoarany mihitsy raha toa manodidina ny 1 000 ar foana » hoy i Albert, mpanangom-bokatra.
Tokony ho ampiakarin’ny mpanondrana ny vidin’ny litchis eny ifotony ka samy hisitraka tombony ny rehetra, ny mpamboly mba mahazo ny tokony ho anjarany ary ny mpiantoka tsy maty antoka.
Nicole Rafalimananjara
