Russie : «Phoques » 2500 isa no hita faty teo amoron’ny ranomasina Caspienne
Rakotra fatina «Phoques » ny morontsirak’i Russie. Manodidina ny 2500 isa tamin’io biby io no hita faty teo amoron’ny ranomasina Caspienne hatrany amin’ny folo kilometatry ny morontsirak’i Daguestan raha ny tatitrin’ny minisiteran’ny ekolojia tao an-toerana.
Efa manao fanadihadiana sy fizahana ny mety nitarika io loza io ireo tompon’andraikitra amin’izao fotoana. Nilaza ny lehiben’ny mpanara-maso ny zava-boahary tao an-toerana, Svetlana Radionova, fa mety nohon’ny fahasemporana nandritra ny famoahana entona tany amin’ny rano lalin’ny ranomasina Caspienne. Amin’ny faran’ny herinandro kosa vao afaka mamaly sy mamoaka ny valin’ny fizahana izy ireo hoy izy.
