Ankadikely Ilafy: Mangataka ny hanamboarana ny lalana ireo mponina
Anisan’ny mampijaly ireo mponina ny mampiasa ity tetezan-kazo ity ao Ankadikely Ilafy. Araka ny voalaza, tsy mbola nisy ny fanamboarana na ny fijerena io toerana io hatramin’izao na dia efa nisy aza ny fiaraha-mientana nataon’ireo mponina mpampiasa izany, ka mangataka ny hanamboarana izany ho tetezam-bato izy ireo.
“Tena mijaly izahay mpampiasa ity lalana ity, indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Mangataka ny mba hijeren’ny tomponandraikitra mahefa azy izahay mpampiasa azy satria tena efa ela no tsy nisy fandraisana andraikitra teto” hoy I Nivo, mponina ao Ankadikely Ilafy.
“Efa nisy mihitsy teo aloha ny fitetezana isan-tokatrano tamin’ny fanangonana izay foy ho fanamboarana ity lalana ity fa tsy mbola hita izay tohiny hatramin’izao” hoy I Riana, mponina eo amin’ny manodidina.
Raha ny voalaza hatrany, tetezan-kazo tokana no handehanan’ireo mponina mpampiasa ny lalana rehefa tsy misy ny lakana mampiampita eto amin’ity toerana ity. Miandry ny fandraisana fepetra avy amin’ireo tomponandraikitra araka izany ireo mponina amin’ny fanamboarana ity lalana ity.
Manitra Ramanantsoa
