ActualitésTsidika

Kaominina Ankadikely Ilafy : Inona no anjara asan’ny ONG DSF Madagascar ?

Nisy ny fahampahafantarana ny asa aman’andraikitra sahanin’ny ONG DSF Madagascar na ny «Douleurs Sans Frontières» eo anivon’ny Kaominina Ankadikely Ilafy. Izany dia niarahany tamin’ireo solontena avy amin’ny CSBII Ankadikely sy ny ASOS ary ireo mpanentana ara-pahasalamana, niampy ny sefom-pokontany sy ny avy ao amin’ny kaominina.

«Miara-mientana ao amin’ny fahombiazana isika mba handrosoan’ny Kaomininantsika» hoy ny Ben’ny tanàna. «Ny fanaraha-maso ny fitsaboana any an-trano, ny fanohanana mahomby ary ny tantsoroka manokana ara-tsaina no tena sahaninay» hoy kosa ny avy ao amin’ny ONG DSF Madagascar. «Isaorana indrindra ny ONG DSF Madagascar miara-miasa aminay mpitsabo ny amin’ny fandraisana an-tanana ny mponina eto Ankadikely Ilafy, izy ireo no manampy ireo olona marary tsy afa-mihetsika intsony sy ireo miaina anaty fanaintainana mahery vaika tsy misy fanàfana» hoy ireo mpitsabo any an-toerana.

Ny fiaraha-miasa izao tokoa no tena ilaina eto amintsika, tsy ho hary arak’ireo mpitsabo avokoa manko ny fahasalaman’ny mponina rehetra fa izay afaka manampy sy miara-misalahy rehetra no miditra an-tsehatra hanavotana ny ain’ny Malagasy iray tanindrazana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire