SocialTsidika

Fitaterana anabakabaka : Miisa 265 ireo mpandeha amin’ny sidina fampodiana nataon’ny Air Madagascar

Fiara-manidina iray avy ao amin’ny Air Caraibes no niantsona fanindroany tao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Alakamisy 26 Aogositra 2021. Nitondra mpandeha miisa 265, Malagasy tafahitsoka tany ivelany tao aorian’ny fidin’ny sisintany.

«Tontosa tamin’ny fanajana tanteraka ny fepetra ara-pahasalamana mifandraika amin’ny Covid ny sidina. « Hoy ny Ravinala Airports. Niatrika fitiliana PCR avokoa ireo mpandeha rehetra ireo tamin’ny fahatongavany. Ary hanatanteraka ny fihibohana izay haharitra dimy andro izy ireo ka aorian’izay dia hamerina ny fitiliana fanintelony amin’ny andro fahaefatra amin’ny fihibohana. Tsy ho afaka mivoaka moa ireto olona ireto raha tsy mahazo ny valiny ny fitiliana PCR miiba. Ho tonga eto Madagasikara ny Alahady 29 Aogositra 2021, ny sidina fahatelo izay ho entin’ny Dreamliner an’ny Air Europa.

Hitondra ny filohan’ny Repoblika sy ny delegasiona Malagasy nanaraka azy tami’nny fihaonan’ireo mpandraharaha frantsay ary ny atsasakin’ny mpilalaon’ny Barea izay hifanandrina amin’ny « Ecureuils » avy any Bénin ny 02 Septambra hoavy io.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire