ActualitésTsidika

Bacc 2022 : Nihena 24% ny mpiadina

Rehefa natao ny fampitahana tamin’ny taona 2021 dia nahitana fihenana 24% ny isan’ireo nisoratra anarana hiatrika ny fanadinana bakalorea 2022. Manodidina ny 191 299 ireo nisoratra anarana hatreto. Anisany antony heverina nahatonga ny fihenana kosa ny fahasahiranana sedraina ankehitriny sy ny fisin’ny valan’aretina. Efa miroso amin’ny fanomanana samy hafa kosa ireo tompon’andraikitra na eo aza izany raha ny fanazavana. Efa andalam-pikirakiana ireo anarana anaty solosaina ihany koa ireo mpanatanteraka izany.

Laisser un commentaire