Ambohimangakely : Hiara-hiasa ho fampiroboroboana ny fambolena ny kaominina sy ny Cedar
Nisy ny dinik’asa notanterahin’ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ao an-toerana, tamin’ny fiandohan’ny herinandro ity. Hisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny CEDAR amin’ny fanatsarana sy fampiroboroboana ny ny fambolena, raha ny voalaza.
« Ny fiaraha-miasa vaovao eo amin’ny kaominina sy ny Cedar dia miompana indrindra amin’ny fanatsara ny tontolon’ny fambolena sy ny fampiroboroboana ny fambolena ara-biolojika eny amin’ny toeram-pianarana sy ny fokontany ato anatin’ny kaominina » hoy ny avy amin’ny kaominina Ambohimangakely.
« Ahafahana manatanteraka izany indrindra no nanaovana izao dinik’asa izao, izay niarahana tamin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Zava-dehibe ihany koa izao mba ho fampivoarana sy famporisihana ny fambolena hanaraka ny fenitra » hoy hatrany ny fanazavana.
Azon’ny rehetra sitrahana moa ny vokatr’izao fiaraha-miasa izao, indrindra fa ho an’ireo tantsaha ao an-toerana. Anisan’ny voakasik’izao dinik’asa izao moa ny sefo ZAP ao an-toerana, ny talen-tsekoly, ary ireo sefo fokontany.
Manitra R.
