ActualitésTatitra


Etats-Unis : Mpianatra iray no nidaroka ny mpampianatra azy rehefa nalainy ny console-ny

Mpampianatry ny sekoly ambaratonga faharoa iray tao Matanzas no niharan’ny herisetra nataon’ny mpianany rehefa naka (confisqué) ny Nintendo Switch-ny. Tao amin’ny comté de Flagler tao Floride no niseho io tranga io herinandro lasa teo.

Tezitra mafy io tovolahy 17 taona io rehefa nalain’ilay mpampianatra azy ilay « console » ka avy hatrany izy dia nikasi-tanana mafy azy. Nianjera mafy io vehivavy mpanabe io, saingy mbola nodarohan’ilay tovolahy indray. Manoloana izany dia naratra mafy ary tsy nahatsiaro tena ilay mpampianatra ka nentina namonjy hopitaly.

Nosamborina kosa ilay tovolahy ary notanana am-ponja vonjimaika. Tsy azo ekena ny fihetsik’io mpianatra io hoy kosa ny shérif Rick Staly, nanamafy izy fa tokony ho toerana azo antoka ny sekoly na ho an’ny mpianatra na ho an’ny mpiasa.

Laisser un commentaire