ActualitésTsidika

18 may: Andro iraisam-pirenena ho an’ny tranom-bakoka

Anisan’ny ahitana itony tranom-bakoka ireny ny eto andrenivohitra. Ohatra amin’izany ny etsy Isoraka. Toerana natao itahirizana ireo zavatra na fitaovana manan-tantara sy nanamarika ny firenana izy ireny matetika. Andro iraisam-pirenena natokana ho an’izany tranom-bakoka izany ny 18 may. Ny taona 1977 no nanomboka nankalazana ity andro iraisam-pirenena ho an’ny tanom-bakoka ity ary misy lohahevitra velabelarina hatrany isan-taona ho fanamarihana izany. Fotoana iray izy io natao ihaonan’ireo matihanina amin’ny resaka tranom-bakoka sy ahafahan’izy ireo ihany koa manentana ny olona mba hitsidika ireny tranom-bakoka ireny. Fa ihany koa natao mba ampahafatarana ny olona ny lanjan’ireny sy ny dingana rehetra nolalovana. Ho antsika eto Madagasikara manokana anefa, raha ny hita hatreto, toa tsy mbola nisy ny fanamarihana izany andro iraisam-pirenena izany. Mbola maro aza ireo tsy mahalala fa misy ny andro iraisam-pirenena natokana ho an’ireny tranom-bakoka ireny. Misy amin’ireny tranom-bakoka ireny koa aza no tsy hain’ny olona akory ny fisiany anefa anisany ireo mitahiry ny tantaram-pirenena izy ireny. Firy amin’ireo Malagasy no mbola manam-piniavana hitsidika ireny tranom-bakoka ireny ? Firifiry koa ireo tsy liana ?

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire