Handefa solontena any amin’ny lalaon’ny tany miteny frantsay i Madagasikara
Atao amin’io taona ho avy io ny andiany faha-9 amin’ny lalaon’ny frankofonia. Toy ny isan-taona, ahitana karazana lalao sy fampisehoana maro ity lalaon’ny frankofonia ity. Ny taona 1997 izao, i Madagasikara no nampiantrano ity lalao ifanaovan’ireo firenena miteny frantsay ity izay andiany fahatelo no natao tamin’izany. Ny 19 hatramin’ny 28 aogositra 2022 no hanatanterahana izany any amin’ny tanànan’i Kinshasa any amin’ny Republique Démocratique du Congo. Noho ny fisian’ny hamehana ara-pahasalamana no nahatonga ny lalao frankofonia 2021 nahemotra amin’io daty io. Anisan’ireo handefa solontena any RD Congo i Madagasikara ary handray anjara amin’ny fankalazana izany. Anisan’ny tena voizina mandritra ity lalao ity ny resaka kolontsaina sy spaora ka anasana ireo tanora liana amin’izany. Miisa 11 ireo taranja ara-kolotsaina hifaninana amin’izany ary 9 kos any spaora izay samy ahafahana mandray anjara. Ireo tanora 18 hatramin’ny 35 taona no entanina andray anjara amin’ity lalao ity.
Ally Herisoananahary
