SportTsidika

Hiatrika ny fifidianana ny filohan’ny Union Africaine de Judo i Randrianasoloniaiko Siteny

Solombavambohoaka voafidy tany amin’iny faritry Toliara iny no nahafantarana an’andriamatoa Randrianasoloniaiko Siteny fa ihany koa filohan’ny federasiona Malagasy ny Judo. Ity toerany eo amin’ny taranja judo ity indrindra no nanosika azy hirotsaka ho filohan’ny UAJ na Union Africaine de Judo izay tanterahina anio 18 may any Dakar renivohitr’i Sénégal. Miisa roa ny mpifaninana amin’izany ka eo i Randrianasoloniaiko Siteny, izay filohan’ny federasiona malagasin’ny Judo sady filohan’ny komity olimpika, sy i Abakar Djermah Aumi izay filohan’ny federasiona judo ao Tchad. Fifidianana izay atao andro vitsy mialohan’ny iatrehan’i Madagasikara ny fiadiana ny tompon-dakan’i Afrika eo amin’ny taranja judo ao amin’ity renivohitr’i Senegal ity hatrany.

Laisser un commentaire